Noho ny fiaraha-miasa matotra nisy teo amin’ny Fokonolona sy ny mpitandro filaminana, dia voasambotry ny Zandary avy ao amin’ny Borigadin’i Farafangana, ny talata teo, ireo efa-mianaka namono nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana tovovavy mpampianatra iray 30 taona ; izay miasa ao amin’ny EPP Mahazoarivo, any amin’ny ZAP Ivandrika, Cisco Farafangana, ny zoma 05 aprily lasa teo. Raha tsiahivina ny tranga, dia tamin’ny fotoana nodiany antoandro avy nampianatra no niharan’ny herisetra teny an-dàlana ity mpanabe ity. Araka ny tati-baovao voaray, dia naolan’ireo tsy mataho-tody ity mpampianatra ity vao notaperiny ny ainy. Rehefa avy natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Farafangana ireto dahalo, afak’omaly, dia naiditra am-ponja.
Eric Manitrisa