Olona dimy no efa voany, izay samy nangalàny vola mitentina eo amin’ny enina hetsy ariary ka hatramin’ny iray tapitrisa ariary teo ho eo, rehefa nampanantenainy fa alefa hiasa any ivelany. Ny tambajotra sosialy « facebook » teto no nataon’ity mpisoloky ity tokontany filalaovana.
Ny voalohandohan’ny herinandro teo no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny sampana « cybercriminalité » ity lehilahy iray, izay tompona « cyber » eto an-drenivohitra ity. Efa maro mantsy ny fitarainana azon’ny pôlisy mahakasika ny fisolokiana nataony tao anatin’ny tambajotra sosialy. Antony nandrisika ireo mpitandro filaminana hanantanteraka ny fikarohana azy. Raha ny fampitam-baovao azo, dia « fampanantenana asa any ivelany, toy ny any Frantsa sy Maorisy no handrebirebeny sy hamitahan’ity mpisoloky ity ireo hazany ». Manao filazana etsy sy eroa amina « compte » sy « groupe » maromaro ranamana, entina hanjonoana ireo olona te handeha mafy ho any am-pita. Mody ampiresahany amina « compte »-na teratany vahiny mihitsy aza izy ireo, hanamafimafy kokoa ny fisolokiana ataony. « Rehefa roboka amin’ny fampanantenany ireo izay tratrany, dia ampamoronany antontan-taratasy maro izay lazainy fa ilaina anatin’ny fikarakarana ny asa. Ka akany vola 600.000Ar hatramin’ny 1000.000Ar hoentiny mikarakara izany dossier rehetra izany raha ny filazany » hoy ny vaovao. Rehefa azony ilay vola, dia tsy mipoitra intsony ingahirainy na mody arirarirany ny resaka. Tamin’ny fanadihadiana azy no niaikeny fa tsy misy akory ity asa handrebirebeny ny saim-bahoaka ity, ary izy ihany koa no ambadik’ilay « compte »-na teratany vahiny. Omaly alakamisy no natolotra ny fampanoavana ity lehilahy ity ary nadoboka am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana azy.
m.L





