- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversSoavinandriana : Tovolahy nitondra sabatra lavabe, tratran’ny fokonolona saika hanolana

Soavinandriana : Tovolahy nitondra sabatra lavabe, tratran’ny fokonolona saika hanolana

Lava loatra ! Asa raha mieritreritra ny ho toy ireny karazana « gladiateur » sa « chevalier » tamin’ny andron’ny « Moyen Age » ireny angamba ity tovolahy tratran’ny fokonolona tany Soavinandrina ity. Sabatra lavabe ary tena lava loatra mantsy no tsy miala eny an-damosiny. Ary tsy vitan’izay fa voalaza fa entiny manendaka io fitaovam-piadiana io, tany an-toerana. Natolotra avy hatrany ny pôlisy tany an-toerana moa ity farany ary natao ny famotorana azy.

Teo no fantatra, fa tsy vitan’ny manendaka fotsiny ihany ilay zalahy ity fa mbola mpanolana ihany koa. Raha ny voalaza mantsy, dia saika hanolana zazavavy 16 taona ingahirainy tamin’io fotoana nahatrarana azy io. « Rehefa nitohy ny famotorana, dia nanambara izy fa noho ny fahamamoany be loatra dia notambazany vola ity tovovavy tsy ampy taona ity ka saika hanaovany ny sain-dratsiny » hoy ny vaovao. Natolotra ny Fampanoavana omaly moa ity « mpanendaka kely be sabatra » ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici