- Publicité -
lundi, septembre 14, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIhosy : Velon-taraina ny tompon’omby sy ireo mpandraharaha

Ihosy : Velon-taraina ny tompon’omby sy ireo mpandraharaha

Noho ny tsy fisian’ny « imprimé » amin’ny pasipaoron’omby efa herinandro izao, eny amin’ny delegem-panjakana, dia velon-taraina ireo mpandraharaha omby any amin’ny distrikan’ Ihosy. Raha ny vaovao voaray, dia hafarana avy any amin’ny « Imprimerie nationale » io « imprimé » pasipaoron’omby io ary andoavam-bola. Hatreto anefa, raha ny nambaran’ireo mpandraharaha omby hatrany, dia tsy misy fanazavana azo ny tsy mampisy io taratasy io, nefa foto-piveloman’ny maro aty Ihorombe ny omby. Etsy ankilany anefa, hentitra dia hentitra ny mpitandro filaminana amin’ny fampiharana ny lalàna amin’ireo tompon’omby sy mpandraharaha raha tsy ara-dalàna ny taratasin’ny ombin’izy ireo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici