- Publicité -
lundi, septembre 14, 2026
- Publicité -

Tapatapany

#- Masay : lehilahy maty an-drano. Tokony ho 40 taona any ho any ity rangahy hita faty tetsy Masay omaly tolakandro ity. Voalaza fa efa natsingevan’ny rano izy ary nosarihan’ireo mponina teny an-toerana hihazo ny morona. Tsy nahitàna ratra teny aminy ary mbola manao akanjo tsara ny lehilahy. Tsy nisy nahafantatra azy ihany koa ireo mponina teny an-toerana. Efa nampandrenesina ireo tompon’andraikitra ary tonga naka ny razany teny ireo tao amin’ny Bmh, nitondra azy eny amin’ny tranom-paty eny Ampefiloha.

#- Ambatofinandrahana. Zandary maty voatsindrona antsy. Ny alatsinainy lasa teo dia zandary mpiana-draharaha iray indray no namoy ny ainy tany amin’iny distrikan’Ambatofinandrahana iny. Nandray ny andraikiny izy teo anoloana disadisa teo amina olona roa tany an-toerana, kanjo izy indray no nifotoeran’izy ireo: voatsindrona antsy teo amin’ny kibony. Namoy ny ainy vokatr’izay ratra izay ity mpitandro filaminana ity. Efa nandray an-tanana ny raharaha moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana ary efa nisy ny fisamborana.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici