- Publicité -
lundi, septembre 14, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbalavao Tsienimparihy : Rongony milanja 700 kg nentin’ny fiarabe mpitatitra solika

Ambalavao Tsienimparihy : Rongony milanja 700 kg nentin’ny fiarabe mpitatitra solika

Rongony manodidina ny eo 700 kilao eo, nafatratra tao anaty gony 30 isa no saron’ny zandary avy ao amin’ny « Poste Avancé » Ankaramena, nandritra ny fisavana natao tamin’ny RN7 iny, omaly naraina tokony ho tamin’ny dimy ora, tao Ankaramena distrikan’ Ambalavao Tsienimparihy. Fiarabe mpitatitra solika no fantatra fa nitondra an’ireto zava-mahadomelina marobe ireto, izay nokasaina hoentina hamidy aty Antananarivo. Raha ny vaovao voaray, dia notanan’ny mpitandro filaminana natao fanadihadiana avy hatrany ireo olona telo tao anatin’ity fiara ity. Tao Ihosy moa no nandraisan’izy ireo ny rongony.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici