- Publicité -
jeudi, novembre 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIhorombe : « Misy ary tsy lany ny «Fiche Individuelle de Bovidé...

Ihorombe : « Misy ary tsy lany ny «Fiche Individuelle de Bovidé aty aminay », hoy ny Lehiben’ny Faritra

Nanoloana ny vaovao nivoaka an-gazety nilaza fa « efa ho herinandro izao no tsy misy « imprimé » pasipaoron’omby eny amin’ny Delegem-panjakana ao Ihosy, ka mampitaraina an’ireo mpandraharaha omby sy tompon’omby ny tsy fisian’izany », dia nitondra fanazavana omaly, ny Lehiben’ny Faritr’ Ihorombe, Rakotomalala Nomenjanahary Fanambinantsoa Solofo : « Tsy marina io vaovao io, ary misy sady tsy lany ny « Fiche Individuelle de Bovidé » aty aminay. Izahay ato amin’ny Faritra no manafatra sy mividy ny « FIB» any amin’ny « Imprimerie nationale ». Aorian’izay ireo solontenam-panjakana no mividy izany ato aminay, dia izy ireo indray avy eo no mivarotra any amin’ny mpanjifa ». Nanamafy ity olom-boatendry Administera sivily ity, raha nanohy ny fanazavany, fa nanomboka ny fiandohan’ny volana martsa nitantanany ny Faritra Ihorombe, dia mbola tsy nisy fahatapahana mihitsy ny famatsiana ny  « imprimé » pasipaoron’omby.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici