Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-baovao mampitohy n’i Tsarasaotra sy Ivato iny omaly hariva tokony tamin’ny 5 ora sy sasany. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia nadeha mafy ity fiara taxi-be Mercedes 407 ity, antony nahatonga izao loza izao. Nanararaotra ny fahitsin’iny lalana mihazo an’i Soavimasoandrop iny angamba ilay mpamily ka tamin’izay indrindra anefa saika hivoaka ny arabe ilay fiara. Niezaka hanarina izany anefa izy ka tonga dia nidaboka tamin’ny ilany havanana ilay fiara. Vokany, naratra mafy ilay mpamily sy ny vehivavy iray nipetraka teo akaikiny. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy na dia hita fa potika tanteraka aza ilay fiara. Ny toe-javatra toy izao dia mahatonga hilaza fa mbola tsy hain’ireo mpamily fiara eto an-drénivohitra ny mampiasa ireo lalam-baovao mikodana toa io eo Tsarasaotra io. Rariny loatra raha nisy ny fanapahan-kevitry ny Fitondrana ankehitriny hanenjana ny Lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny sazy ampiharina amin’ny fandikana izany.
T.M.





