- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Lehilahy nitsoraka tao ambany kamiao, maty nipotsaka atidoha

Mahajanga : Lehilahy nitsoraka tao ambany kamiao, maty nipotsaka atidoha

Lehilahy iray 34 taona no maty tsy tra-drano voahitsaky ny kamiao teo amin’ny lohany, ary nipotsaka hatramin’ny atidohany, omaly naraina tokony ho tamin’ny sivy ora, tao amin’ny fokontany Antanambao Sotema, faritra « bar tsy kivy ». Raha ny vaovao voaray, dia namono tena nitsoraka tao ambany kamiao sendra nandalo ity raim-pianakaviana manam-bady, sy zanaka efatra mianadahy ity. Raha ny fitantaran’ ireo nanatri-maso ny loza sy nambaran’ny fianakavian’ny maty, dia efa hatramin’ny naraina ity lehilahy ity no nilaza ny hamono tena, ary efa saika hanindrona antsy ny tenany izy saingy voasakana foana. Hatreto, raha ny fanazavana azo hatrany, dia tsy misy mahafantatra izay olana sedrain’ity lehilahy ity na ny vady aman-janany, na ny havany, na ny namany sy ny olona akaiky azy, ka nanosika azy hamono tena toy izao. Taorian’ny loza nitranga, dia tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nanao fanadihadiana ifotony, ary ny BMH nanao ny fizahana. Taorian’izay vao natolotra ny fianakaviany ny razana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici