- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohijatovo - Hazo nitera-doza : nisy naratra sy fiara simba

Ambohijatovo – Hazo nitera-doza : nisy naratra sy fiara simba

Soa fa mbola tsy dia be loatrany olona nifamezivezy tamin’io fotoana io.
Soa fa mbola tsy dia be loatrany olona nifamezivezy tamin’io fotoana io.

Hazo efa boboka no nitera-doza tetsy Ambohijatovo, tsy lavitra ny tsena. Tokony ho tamin’ny enina ora maraina no nianjera teo ampivoan’ny arabe izany noho ny fahanterany. Potika tsy nisy azo noraisina ny lohan’ny fiara iray sendra nandalo teo tamin’io fotoana io. Tsy nisy rivotra mafy akory teo ka hoe nampihozongozona ilay hazo, mazava hoazy fa efa boboka tanteraka izy ka nianjera hoazy. Raha ny fanazavan’ny olona teo an-toerana dia nisy ramatoa iray natsaka rano teo amin’ny paompin-drano teo an-toerana naratra vokatr’ity loza tampoka ity. Tonga teny an-toerana nanala ilay hazo no sady nijery izay hafa mety mbola hianjera koa ny sampana mpamonjy voina eo anivon’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra. Naharitra ela ihany ny fanalana izany teo amin’ny arabe ary niteraka fitohanana aza izany, satria tao anatin’ny fotoana fidiran’ny mpiasa mihitsy no tsy maintsy nesorina ilay hazo boboka. Raha ny fanamarihan’ny mpamonjy voina dia azon’ny rehetra atao ny mampandre azy ireo an-telefaoina,raha sendra misy hazo atahorana hianjera ka hitera-doza ho an’ny fiarahamonina. Fihetsika izay tena ilaina, indrindra amin’izao vaninandro fahavaratra sy ankatoky ny andro ratsy izao. Fanindroany izay no nitera-doza ny filatsahan’ny hazo teo Ambohiatovo. Ilay iray niharan’izany aza, efa taona vitsivitsy izay, dia tapaka ny hazon-damosiny ary tsy afaka nandeha intsony. Tao anatin’ny fitohanana ny fifamoivoizana no nisy hazobe nianjera teo ambony fiarany ka nahazo ny lohany sy ny lamosiny. Heverina fa fotoan’ny fanapahana ireo hazo boboka izao ankatoky ny andro ratsy izay matetika dia ny janoary no manomboka…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser