Nisy nitory eny amin’ny zandary misahana ny raharaha heloka bevava izy noho ny raharaha fisolokiana ; izay mitentina maherin’ny iray miliara ariary. Angatahin’ny mpitory koa ny tsy fahazoany mivoaka ny sisin-tany malagasy ‘ndrao hitsoaka izy ato ho ato. Tsy iza izany, fa vehivavy iray isan’ny kandidà ho solombavambahoaka eny amin’ny distrikan’Antananarivo-Atsimondrano, ary isan’ireo manao fampielezan-kevitra ankehitriny. Manana orinasa izay misahana ny fivarotana sy fividianana tany izy. Nisy orinasa iray hafa izay nampiandraikitra azy fividianana tany lehibe etsy Andranoambo-Ambohimanarina. Raha adika tsotsotra, dia io orinasa io no namatsy vola ny orinasan-dramatoa amin’ny fividianana ny tany ,saingy kosa misy fifanarahana mazava momba izany, satria mbola hamidy ny tany. Isan’ny voafaritra ao fa ny vola rehetra izay miasa sy ilaina amin’ny fahazoana ny tany, dia omena an-dramatoa avokoa. Naloa tokoa izany ka nisy ny vola izay nisy ny ampahany natao seky ary nisy koa ny vola mivaingana. Ny totalin’izany dia maherin’ny iray miliara ariary ary ny tany hovidiana dia teny Andranoambo-Ambohimanarina. Efa tamin’ny oktobra 2016 no natao ny fifanarahana ary isan’ny voafaritra mazava tao, fa tsy tompon’ny tany ny orinasan-dramatoa fa miandraikitra kosa ny fahazoana ny « titre foncier » sy ny fivarotana ny tany amin’ny antsinjarany (parcelles) avy eo. Araky ny efa voalaza, dia omena ny vola izay ilainy izy amin’ny fikarakarana rehetra. Efa tafiakatra maherin’ny iray miliara ariary ny totalin’ny vola niasa tao anatin’izany ary nisy taratasy fanamarinana avokoa. Isan’ny voasoritra ao anatin’ny fifanarahana ny hoe ao anatin’ny telo volana raha betsaka indrindra, dia efa mivoaka ny taratasin’ny tany izay manomboka eo dia misoratra amin’ilay orinasa mpamatsy vola ny orinasan-dramatoa, momba io tany etsy Andranoambo io. Nandeha anefa ny fotoana ary taona taty aoriana dia tsikaritry ny orinasa, fa tsy nandeha tamin’ny laoniny izany : taratasin-tany efatra monja amin’ny 50 mahery izay nandrasana no voasoratra ary tsy vitan’izay, fa ny taratasin-tany maro dia tsy tamin’ny anaran’ilay orinasa namatsy vola no nosoratana fa tamin’olon-kafa. Mandeha ny fitoriana ankehitriny noho izay fisolokiana avo lenta izay. Noho ny vola izay mihoatry ny 80 tapitrisa ariary no voakasiky ny raharaha, dia efa azo sokajiana ho heloka bevava ara-ekonomika izany ary anton’ny nametrahan’ny mpitory ny fitarainany eny anivon’ny sampan’ny zandary misahana ny heloka bevava etsy Fiadanana. Hatreto izany, dia tsy mbola nisy fifidiana ohatr’ity teto amin’ny firenena. Ao avokoa ny mpaka an-keriny, ny mpisoloky tany, ny mafia amin’ny hazo sarobidy sy ireo izay manana dosie maloto rehetra. Ary dia tena afaka milatsaka soa aman-tsara avokoa…
D.R