Ny alahady teo teo am-pividianana zavatra tamina tranombarotra iray tao Tanambao V amin’ny andro hariva, dia noraisim-potsiny teo am-pividianana zavatra tamina vola sandoka 20.000 ariary miisa 17 teny aminy ity ramatoa inray antsoina hoe Eliane. Raha nosavaina ihany koa ny tranony dia mbola nahatrarana vola 20.000 ariary miisa 16 ihany koa. Tsy nandà ny fanampariahany vola sandoka izao ity ramatoa ity, nefa tsy nitonona kosa ny olona mpamatsy sy fakany izany vola sandoka 20.000 ariary izany. Ny fahitan’ilay mpivarotra fa hafahafa ilay vola noraisiny no nanatsoiny ireo polisy misahana fanaraha-maso isam-pokontany nandalo tao Tanambao V, ka teo no nahatrarana ambodiomby ity ramatoa Eliane ity tamin’izay. Raha ny angom-baovao natao dia tsy ity vola 20.000 ariary tratra tamin’ity ramatoa ity ihany ireo voalaza fa miparitaka eto Toamasina sy ny manodidina azy, fa efa an-jatony tapitrisa ariary. Izay np mahatonga ny mpitandro ny filaminana mampahafantatra ny rehetra fa tokony ho mailo ny rehetra raha mandray vola 20.000 ariary indrindra fa ny takariva noho ny fiparitahan’ny vola sandoka ankehitriny. Ankoatra izany dia mampitandrina ny rehetra indrindra ireo tantsaha mpivarotra vokatra mba ho mailo, satria mazana dia amin’ireo tontolo ambanivolo no fanaparihan’ireto mpanao izany ireto vola sandoka 20.000 ariary ity, efa miakatra raha teo ny vary izao ka betsaka ireo mpanangom-bokatra amin’izany.
Malala Didier