- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndranomena : Mpiambina maty voatsatoka antsy

Andranomena : Mpiambina maty voatsatoka antsy

Nezahina nentina teny amin’ny hopitaly eny Ambohibao ihany izy kanefa tsy tàna ny ainy. Manodidina ny tamin’ny valo ora alina, ny alatsinainy teo no nahazo antso ny zandary momba ny fisian’ny olona maratra mafy eo amoron-dàlana. Rehefa tonga teny Andranomena, dia hita tokoa ny lehilahy iray 34 taona izay mihosona ao anatin’ny ràny. Teo amin’ny tendany no voatsatoka antsy « inox » ary tafiditra hatrany amin’ny folo santimetatra tany izany raha araka ny fijery voalohan’ireo mpitandro ny filaminana. Nentina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana, saingy vao tonga kely dia efa tapitra ny ainy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa mpiambina eo Andraharo izy, amin’ny orinasa lehibe iray izay misahana ny varotra fiara. Isan’ny nolazain’ny zandary, fa efa nisy olona voasambotra momba ity raharaha ity. Vehivavy izay sakaizan’io olona maty io ihany izany. Lehilahy iray no tena ahiana mafy ho tompon’antoka ary efa mandeha ny fikarohana azy ankehitriny. Fantatra hatramin’ny anarany sy ny adiresiny, saingy nitsoaka izy rehefa nojerena tany. Tazonina ao amin’ny borigadin’ny zandary aloha ilay vehivavy voasambotra voalohany ary mitohy ny fanadihadiana azy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici