- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Omby 20 lasan’ny dahalo nitam-basy

Ambohidratrimo : Omby 20 lasan’ny dahalo nitam-basy

Lasibatry ny dahalo nitam-basy indray tao amin’ny Kaominina ambanivohitry Merimandroso, Distrika Ambohidratrimo, ny alin’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny valo ora, ka omby  20 tao an-tanànan’Ambohipoloalina Fokontany Ambohijanaka (8 km miala an’ Ivato)  no lasan’ny 15 lahy. Raha ny vaovao voaray, dia nanao « tee-shirt » misy sarina kandidà iray tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo iny, ny ankamaroan’ireo dahalo, ka nisy tamin’ireo olon-dratsy nitondra « Kalach », izay nandroaka ireo omby avy nangalarina nianavaratra nihazo ny Kaominina Ambato sy Manjakavaradrano.

Toliara. Tovovavy 15 taona, niteraka kamban-telo

Tovovavy kely iray manodidina ny 15 taona eo no niteraka kambana telo mianadahy (lahy roa, vavy iray), omaly nisandr’andro, tokony ho tamin’ny folo ora latsaka fahefany, tany Ankilimalinike, Distrikan’i Toliara II. Raha ny vaovao voaray, dia tany amin’ny renin-jaza mpitsabo ara-drazana ity tovovavy ity no niteraka. Rehefa hita, fa nanomboka reraka mafy izy noho ny fahaverezan-drà, dia nentina haingana namonjy tobim-pitsaboana, ary mbola arahi-maso akaiky ny fahasalamany amin’izao. Salama tsara kosa ireo zaza. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia efa niteraka kambana roa lahy ity vehivavy ity talohan’izao, ary maty teo am-piterahana ny zanany.

Maintirano. Jiolahy namaky trano, maty voatsatoka lefona

Maty am-perinasa ! Jiolahy iray malaza ratsy ikoizana amin’ny vaky trano sy halatra ao an-tampon-tanànan’i Maintirano no maty voatsatoka lefona teo am-pandrobana tokantrano iray, afak’omaly alina tokony ho tamin’ny valo ora, tao amin’ny Fokontany Tanambao SPM. Raha ny vaovao voaray, dia telo lahy no nanafika ity tokantrano ity. Tsy nanaiky mora tamin’ny fandrobana ny fananany ny tompon-trano ka nanohitra an’ireo jiolahy. Tao anaty fifandonana dia voatsatoky ny tompon-trano  lefona ny iray tamin’ireo mpandroba ka maty tsy tra-drano. Raha vao nahita izany ireo namany roa dia nitsoaka nandositra avy hatrany, ary mbola karohina fatratra amin’izao. Hatramin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia mbola tsy nalain’ny havany ny razan’ilay mpamaky trano namoy ny ainy.

Nangonin’i Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici