Taorian’ny disadisa ara-piaraha-monina niseho tamin’ny fianakaviana iray, izay niteraka ady an-trano nahafatesana olona miisa fito (maty notifirina an-karihary), tao amin’ny Fokontany Beteva, Kaominina ambanivohitra Ampanihy, distrikan’i Miandrivazo, dia nidina ifotony nanao fampihavanana sy nandamina ny raharaha tany an-toerana, ny avy ao amin’ny OMC Distrika, notarihan’ny lehiben’ny distrika notronin’ny tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana. Taorian’ny dinik’asa niarahana tamin’ireo Ray aman-dreniny to teny teo an-tanàna, dia niravina ny disadisa ka nifandray sy nifanatona ny fianakaviana roa tonta izay niteraka ity ady an-trano ity. Ho nofon-kena mitam-pihavanana mba tsy hiverenan’ny tranga intsony amin’ny manaraka, dia nisy ny fomban-tany « tsitsika lilin-draza » natao tamin’ny alalan’ny famonoana omby roa nentina nanatanterahana izao fampihavanana izao. Raha ny vaovao voaray, ankoatry ny vono olona, dia maro tamin’ireo omby teo an-tanàna no very, ary manginy fotsiny ny doro trano nandritra ity ady an-trano ity, izay nitarika fahantrana lalina teo amin’ny mponina, satria noho ny tahotra sy vokatry ny tebiteby niainan’ny vahoaka isan’andro, dia lasa nitsoaka nandositra avokoa ny olona, ka tsy nisy fambolena sy fiompina vanona mihitsy.
Eric Manitrisa