Isan’ny mampikaikaika ny mponina eny amin’iny faritra Itaosy sy ny manodidina iny amin’izao ny resaka fandrobana sy vaky trano. Toy ity nitranga teny Ampasika ity, lehilahy iray, izay efa malaza ho jiolahy no tra-tehaka, am-bodiomby mihitsy teo am-pihanihana tamboho hanao ny asa ratsiny ny talata lasa teo. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any, raha naheno feon-javatra tany an-tokotany ireo tompon-trano no nivoaka avy hatrany. Alok’olona iray no hitan’izy ireo nihanika ny tamboho ary namantana avy hatrany teny amin’ny « terasse ». Nikoropaka ny rehetra ary niara-nisambotra ity olon-dratsy tafiditra an-tanana nony avy eo. Tsy afa-nitsoaka intsony moa ilehio ary dia noraisim-potsiny. Niantso ny pôlisy miasa ao amin’ny kaomisarian’Itaosy avy hatrany ireo tompon-trano. Tsy ela dia moa ireo mpitandro filaminana ary nitondra ity olon-dratsy hatao famotorana. Tsy vitan’ny efa malaza ratsy amin’ny resaka vaky trano sy fandrobana ity rangahy ity fa mbola mpifoka rongony efa ela nokarohina ihany koa. Tamin’ny fotoana nahatraratrana azy ity mantsy dia mbola nahitàna fonosan-drongony miisa telo teny aminy. Tsy mponina eny amin’ny manodidina ihany koa ingahirainy fa eny Ampefiloha Ambodirano, kanefa dia izao tonga manantateraka ny asa ratsiny amin’ny roa ora maraina eny amin’ny faritra Itaosy izao. Omaly ihany moa izy, araka ny fampitam-baovao dia efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.
m.L