- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Hahazo kianja mitafo manara-penitra avy amin’ny filoham-pirenena

Mahajanga : Hahazo kianja mitafo manara-penitra avy amin’ny filoham-pirenena

Amin’ity taona ity ihany dia ho vita ny asa, hoy ny filoha Andry Rajoelina raha nitafa tamin’ny vahoakan’i Mahajanga izy nandritra ny fandalovany teto an-toerana. Omena sehatra manokana ny tanora hoy  hatrany izy, fa indrindra eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Manana atleta maro ny eto Mahajanga hoy ny filoha ka rariny loatra raha toa ka homena tosika. Ankoatran’io, hisy ihany koa mantsy ny fanamboarana dobo filomanosana olimpika lehibe, satria manana tombony i Mahajanga amin’ny maha tany mafana azy ka azo anaovana fanazarantena mandavan-taona.

Vola efa vonona hoy ny filoha no hanaovana ireo tetikasa ireo, fa tsy vao hotadiavina akory. Hahazo anjara famatsiana amin’ilay vola 800 tapitrisa dolara azo tamin’ny Banky iraisam-pirenena ny tanàn’i  Mahajanga ary hasandratra ho isan’ireo tanàna handroso  sy modely eto Madagasikara.

Nampiriska ny tanora ny filoha mba hanorina tetikasa hahafahany  mihary. Vola 1 tapitrisa ariary hatramin’ny 200 tapitrisa ariary no azo ampindramina amin’ny alàlan’ilay tetikasa Fihariana. Hamoraina ny fahazoana azy ary azo raisina ao anatin’ny fotoana fohy. Samy hahazo anjara tandrify azy avokoa ny rehetra amin’io programa nasionalin’ny fitondram-panjakana io ary haparitaka manerana ny Nosy izany.

Fampanantenan’ny Filoha ny hoe: “tsy maintsy tafita i Madagasikara”. Nanampy ahy ianareo hoy izy nandritra ny fifidianana filoham-pirenena ka vonona aho ny hanome ny heriko rehetra hanatanteraka ny velirano izay efa nataoko ho an’ny firenena.

Tantely Vandriam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici