Taorian’ny fikasana hamono sy fanondrahana asidra ny mason’ i Vololoniaina Nomenjanahary Judianah, mpampianatra ao amin’ny EPP Mandanivatsy, ZAP Nosy-Varika, niseho tao an-tranony, ny 11 aprily lasa teo, izay nataona vehivavy roa zanak’olomboafidy ao Nosy-Varika, Rehefa nivoaka ny hopitaliben’i Mananjary nitsaboana azy i Judianah, ary voaporofon’ny dokotera mpitsabo maso, fa simba tanteraka lasa jamba tsy mahita intsony ny maso havian’ity mpanabe vao 22 taona monja ity, dia nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana ny niharam-boina sy ny reniny, ny 16 aprily lasa teo. Taorian’izay ihany koa anefa, dia nametraka fitoriana ireto zanak’olom-boafidy izay mpiofana ho « infirmière » ny iray, nilaza fa naratra voa mafy koa izy ireo fa notatahan’i Judianah tamin’ny « lame ». Ny 2 mey teo no niakatra Fampanaovana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Mananjary ity raharaha disadisam-piarahamonina (adim-behivavy) ity, ka afak’omaly no nivoaka ny didim-pitsarana. Nahazo sazy mihantona 5 taona sy mandoa onitra iray tapitrisa ariary ireo zanak’olomboafidy, ary mandoa onitra roa hetsy ariary kosa ilay mpampianatra voatondraka asidra. Raha ny vaovao voaray, dia resaka ady tany momba ny toeram-ponenana efa hatry ny elabe eo amin’ny ray aman-drenin’ireto tovovavy no fototry ny olana. Tsy nionona tamin’ny raharaham-pihavanana natao anefa ireto roa vavy zanak’olomboafidy, fa niditra an-keriny tao an-tranon’ity mpanabe ity, ary nila ady, ka rehefa nanda mafy tsy nanaiky hisotro ny ranon’asidra nentin’ireto zanaka olom-boafidy ilay mpampianatra, dia natondrak’izy ireo teny amin’ny tarehiny izany, ka voa mafy teo amin’ny masony i Judianah.
Eric Manitrisa