Nikorontana indray Analakely omaly hariva. Andian’olona marobe no nitangorona nibahana ny lalana teny an-toerana. Ny sasany kosa nifanenjika tamina fiara tsy mataho-dalana iray, ary ny hafa nitora-bato. Voalaza fa nandona olona ity farany ary nitsoaka.
Tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro teo ho eo. Raha mbola sorena amin’ny fitohanana lavareny ny sasany amin’ireo mpitondra fiara no tampoka teo nisy andian’olona maro dia maro nikotaba. Velona ny « sakano, sakano ». Fiara tsy mataho-dalana iray no niezaka nitsoaka mafy ireto andian’olona ireto. Niala teo akaikina tranombarotra eletronika iray teny an-toerana, nihodina tany amin’ny lalana nihazo ny tsenan’ny Pochard, kanefa efa nisy olona maromaro niandry azy niaraka tamin’ny vato ihany koa tany. Niverina nidina indray tany Analakely ary nihazo ny lalana mizotra any Ambohijatovo. Saingy tsy afa-niala intsony raha tonga teo amin’ilay hôtely lehibe sy fivarotana pizza malaza iray. Raikitra teo ny tora-baton’ny olona. Efa saika ratsy ny fandehan-javatra raha tsy tonga haingana teny an-toerana ireo mpitandro filaminana niezaka nandamina ireo olona efa tezitra tanteraka sy nitondra ny mpamilin’izany fiara izany niala teo.
Araka ny angom-baovao azo dia teratany vahiny ny mpamilin’io fiara tsy mataho-dalana io. Nandona olona teo amin’ilay toerana manakaiky ilay tranombarotra eletronika izy talohan’ilay fifanenjehana. Hitan’ny mason’ny rehetra izany, saingy ninia tsy nijanona ilay nandona ary mbola avo vava ihany. Teo no nanomboka ny fimenomenomana tamin’ireo olona nanatri-maso. Nisy ihany no niezaka nanatona ilay fiara saingy voalaza fa toa hoe izay rehetra nanatona ilay mpamily dia norarafany « bigboss » avokoa. Izay fihetsika izay no nampiakatra tanteraka ny hatezeran’ireo andian’olona, izay efa nanomboka nandray vato hitoraka ilay fiara. Nahita lalana teo anefa ity vazaha mpamily ary niezaka nitsoaka niaraka tamin’ny fiarany, ary io nifanenjehan’ny olona io. Araka ny fanazavàna azo tamin’ireo mpitandro filaminana omaly hariva dia efa voatazona ao Tsaralalàna ity terantany vahiny ity ary efa manomboka ny famotorana. « Tsy maintsy hisy ny fanadihadiana atao aminy, na io mahakasika ilay fitsoahana tamina loza nataony na io tamin’ilay filazàna fa hoe nampiasa herisetra, fitifirana « bigboss » ireo olona niezaka nanatona azy », hoy ny fanazavàna azo.
m.L