- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Vaky ny fonja, gadra fito tafatsoaka

Mananara Avaratra : Vaky ny fonja, gadra fito tafatsoaka

Tao anatin’ny fahamaizinana, vokatry ny fahatapahan-jiro tao Mananara Avaratra no nanararaotan’ireo voafonja nanatanterahana ny paik’ady fitsoahana, ny sabotsy teo. Vokany nisy gadra fito tafatsoaka. Araka ny fampitam-baovao azo dia efa tetika nomanina efa ela izy io, ary niandry fotsiny ny delestazy izy ireo hanatanterahana ny teti-dratsin’ireo voafonja. Raha vao nilona monja tao anaty haizina mantsy ny tanana, tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any, dia niara-nirohatra nanosika ny vavahady ireo gadra rehetra tao. Taitra noho izany ireo mpiandry fonja ka niezaka nanakana izany fitsoahana faobe izany, tamin’ny alalan’ny tifi-danitra. Saingy tsy nahasakana ireo voafonja efa vono-kitsoaka tanteraka izany. Voalaza ihany koa mantsy fa  nisy sasantsany tamin’ireo gadra indray nanagorobaka ny tafo ary nibosesika nivoaka teo. Voatery nizara roa araka izany ireo mpiandry fonja. Ka raha voafehy ilay teo amin’ny vavahady, ireo teny amin’ny tafo kosa no nahatafita hatramin’ny farany ny fitsoahana. Niisa sivy izy ireo aloha hatreto, raha ny angom-baovao azo no tafavoaka tanteraka ny fonja. Teo anatrehan’izany dia tsy maintsy nandray andraikitra nitifitra ireo mpiandry fonja. Nisy roa tamin’ireo gadra no voatifitra ka tsy afa-nitsoaka intsony. Fito izany sisa izy ireo no tafatsoaka tanteraka ary efa mandeha ny fikarohana azy. Tonga nanampy ireo mpiandry fonja tamin’ny fifehezana ity fikomian’ny gadra ity sy ny fikarohana ireo tafatsoaka moa ireo mpitandro filaminana tany an-toerana amin’izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici