- Publicité -
samedi, décembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversRocade : Faty feno tsatoka antsy

Rocade : Faty feno tsatoka antsy

Tsatoka antsy telo farafahakeliny no hita teny amin’ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray, ny alin’ny alahady teo tokony ho tamin’ny sivy ora alina. Tetsy amin’ny lalam-baovao « rocade » izay mifanandrify amin’Ankasina izy no nisy nahita, efa nitsirara tamin’ny tany. Ireo no avy hatrany dia nampandre ny polisy misahana iny boriborintany iny. Olona efa tsy nisy aina intsony no hita teo an-toerana tamin’ny nahatongavan’ny mpitandro ny filaminana teo. Hita avy hatrany fa nisy namono izy ary tsikaritra koa fa tsy voatery ho fanendehana ny antony, satria mbola hita teo ny findainy ary koa tsy nisy nipika ny akanjony. Ahiana ho ny ainy mihitsy no tena nokendrena ary dia tena tanteraky ny olon-dratsy tokoa izany.

 

Ivato

Fiaramanidina nirehitra

Nirehitra ny « réacteur » iray tamin’ny fiaramanidina izay an’ny kaompania Turkish Airlines. Ny alahady tamin’ny folo ora maraina latsaka fahefany no nitranga izany raha teo am-piaingàna hizotra ho any Istanbul ilay fiaramanidina lehibe mitondra ny marika TK6506TC-LDS ary mpitondra entana. Voatery najanona faran’izay haingana ilay fitaovam-pitaterana an-habakabaka ary nofehezina faran’izay maika koa ny afo. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Ny tahotra kosa no tena betsaka satria nitera-doza tanteraka raha sanatria ka nirefotra teo io fiaramanidina lehibe io. Omaly dia mbola hita tao an-toerana ilay fiaramanidina miandry ny fanamboarana azy. Mpitatitra entana no tena asan’ity fiaramanidina lehibe ity.

 

Nanisàna

Nitsoaka ilay bus nahafaty olona roa

Mandeha ny fikarohana io fiara fitateram-bahoaka io amin’izao fotoana. Tsy vitan’izay nahafaty olona sy nanimba fiara hafa fa koa mbola nitsoaka. Ny alin’ny alahady teo no niseho izany tetsy Nanisàna tsy mifanalavitra ny toeram-pivarotana fanafody. Nanao fisongonana tsy ara-dalàna ilay bus kinanjo nifatratra tany amin’ny lehilahy roa izay nandeha antsisin-dàlana. Maty tsy tsa-drano ny iray ary tany amin’ny hopitaly kosa ny faharoa. Tsy vitan’izay fa mbola nitsoaka koa ilay bus ary nifatratra tao amin’ny fiara kely iray izay teo anoloany, simba tanteraka koa io. Mila jeren’ny mpitandro ny filaminana akaiky ity tranga izay lasa heloka bevava ity, tsy tokony ho vitavita mora.

 

Andraisoro

Novonoina ho faty tao anaty « bar »

Tao anatin’ny bar izay tantaniny ihany no hita faty ny lehilahy iray, tetsy Andraisoro, ny marainan’ny alahady teo. Nisy dian-java-maranitra ny vatan-tenany izay efa maty. Rehefa notsirihan’ny mpitandro ny filaminana izay nanokatra fanadihadiana momba ity raharaha ity ny toerana dia tsikaritra fa tsy nisy entana very fa kosa ny vola izay vidin’ny entana lafo indray andro no tsy tao anatin’ny fitoerany intsony. Nisy moto koa tao amin’ilay toerana saingy tsy nokitihan’ireo mpanao ratsy izany. Raha zohina izany dia marobe ny olona namoy aina noho ny antony maro samihafa. Ny tena betsaka dia ny heloka bevava.

Nangonin’i D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici