- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMahazo : Zazakely maty tsy tra-drano voafaokan’ny taxi-brousse tapaka hisatra

Mahazo : Zazakely maty tsy tra-drano voafaokan’ny taxi-brousse tapaka hisatra

Mahatsiravina ! Raha tsy nisy aloha fiara iray nanolo-tena hisakana ity taxi-brousse « Mazda » tapaka hisitra ary nikivalavala nidim-pidinana, dia efa fatin’olona nikararana indray tetsy Mahazo, omaly hariva. Na izany na tsy izany aza anefa, dia aina tsy manan-tsiny iray no nafoy tao anatin’ny indray mipi-maso monja.

Isan’ny làlana faran’izay tery kanefa iangonan’ny fiara, mpandeha tongotra ary tsena marobe iny làlan’i Mahazo iny. Indrindra fa eo amin’ny toerana fiantsonan’ireo taxi-brousse marobe mandeha miatsinana. Teo amin’io toerana io indrindra, amin’ilay làlana rarivato fidinana avy any Ambatomaro mihazo an’i Mahazo iny no nitranga ny loza mahatsiravina, omaly hariva tokony ho tamin’ny efatra ora tany ho any. Fiara taxi-brousse « Mazda mini-bus »  iray, mampitohy an’i Tana sy Ambatomanga izay voalaza fa saika handeha hiandry ny anjara fandehanany no nikivalavala nidina io fidinam-be io. Araka ny angom-baovao azo, dia hoe nilaozan’ny hisatra ilay fiara ary tsy tanan’ny mpamily intsony. Marihana, fa  feno olona mandeha  amin’izany làlana izany, manginy fotsiny ireo mpivarotra amoron-dàlana. Nahay niala tao anatin’ny ora farany avokoa anefa ireo olona nifanena tamin’ilay fiara « adala » ankoatra ny zazakely iray, ankizivavy tokony ho telo taona any ho any teo ho eo, variana nilalao ny saribakoliny teny antsisin-dàlana. Voafaoka mafy dia mafy ity zaza ity ary nipitika. Nianjera dia mbola voahosin’ny kodiarana ihany. Vaky ny lohany ary nipotsaka mihitsy ny atidohany. Maty tsy tra-drano. Saika mbola nitohy ihany anefa ny hadalan’ilay fiara, raha tsy nisy taxi-brousse iray « Sprinter » nijanona teo akaiky teo, nisakana ny fandehanan’ilay « Mazda ». Nitangorona ny olona. Samy tezitra tamin’ilay mpamily avokoa ny rehetra. Polisy maromaro no tonga teny amin’ny toerana nisian’ny loza, nijery ifotony ny zava-nisy. Ny sasany tamin’izy ireo moa no nitondra avy hatrany ny mpamilin’ilay fiara tapaka hisatra sy ny mpanampy azy niala teo. Ny hafa kosa niezaka nandamina ireo fokonolona  teny an-toerana.

Fa mbola lozam-pifamoivoizana ihany nitranga tetsy Ivandry, teo akaikin’ireo mpivarotra voninkazo teny an-toerana, omaly maraina. Vehivavy iray no naratra mafy rehefa nodomina môtô nentina tovolahy anankiroa. Handeha hiampita arabe tao anaty faritra fiampitana ilay ramatoa no nirafarafa avy any ilay môtô. Voadona mafy ary nipitika lavitra mihitsy ilay voadona. Nianjera sy nivadivadika ihany koa izy roa lahy teny ambony kodiaran-droa. Tsy nisy naninona ireto farany, fa ilay voadona no hita fa naratra mafy tokoa. Ny iray tamin’izy roa lahy nandona moa no nitondra haingana ilay vehivavy tany amin’ny toeram-pitsaboana. Ilay faharoa kosa tsy navelan’ny fokonolona niala teo niaraka tamin’ilay môtô potika tanteraka. Taorian’io no tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici