- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversBoriborintany faharoa : Kandidà ho depiote natao sarika am-pandriana

Boriborintany faharoa : Kandidà ho depiote natao sarika am-pandriana

Nitarika fisamborana ny korontana izay nitranga nandritra ny fanisam-bato teny amin’ny boriborintany faharoa. Nitory ny kandidà Lanto Rakotomanga avy amin’ny IRD rehefa naratra ny olona dimy tao anatin’ny ekipany, nandritra ny fikasihan-tànana tao amin’ny biraom-pandatsaham-bato teny Ambohipotsy. Olona dimy no nosamborina omaly ka isan’izany i Harison, filohan’ny antoko Zah Gasy no sady kandidà ho solombavambahoaka eny amin’ny boriborintany faharoa koa. Nilaza i Lanto Rakotomanga, fa tsy hanaiky ny zava-miseho, indrindra koa notsipihany mazava fa tena voa mafy ary mbola any amin’ny toeram-pitsaboana ireo mpiara-dia aminy; izay voakasi-tànana. Momba ilay filohan’antoko  nosamborina kosa, vao naneno akoho omaly dia efa tonga ny zandary naka azy tao an-tranony miaraka amin’ny taratasy manome alàlana ny hisambotra. Izany hoe tamin’ny lera voalohany hahafahana manatontosa didy avy amin’ny fampanoavana izany, dia efa nalaina i Harison Zah Gasy. Ity izany no isan’ny indro kely tao anatin’ny fotoam-pifidianana depiote. Izany dia ankoatra ilay tanora iray izay delege tany Sakaraha ka nisy namono ho faty, nofiraina famaky, andro iray mialoha ny fifidianana. Ny taim-bava madinidinika, dia tsy ilaozany rehefa misy ny fanisam-bato, ao anatin’ny ambiasy rahateo izany. Tsy tokony ho tonga amin’ny fikasihan-tànana sy ny famonoan’olona na inona na inona tsy fitovian’ny fijery sy ny loko politika notohanana. Mbola mila ezaka be vao tena ho tonga amin’ny fahaizana mandresy sy resy ny tontolo politika eto amintsika. Isan’ny antoky ny filaminana ny toe-tsaina manaiky resy sy mandresy ary mbola ilaina volena tsikelikely amin’ny asa fanabeazana rehetra izay hatao. Tokony ho tompon’andraikitra amin’ny fampitana izany ny mpitarika antoko isan-tsokajiny.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici