Taorian’ny fitsoahana voafonja tao Mananara avaratra, ny alahady alina tokony ho tamin’ny 08ora sy sasany alina , dia nikaroka azy ireo avy hatrany ireo mpandraharahan’ ny fonja tany an-toerana raha fantatra fa nisy io fitsoahana io. Voasambotra ny telo nandritra izany fikarohana azy ireo izany, saingy voatery nampiasa ny fitaovana teny aminy ireo mpandraharahan’ ny fonja ka naratra vokatr’ izany izy telo lahy. Ny roa mbola tsaboina ao amin’ny hopitaly Mananara avaratra hatramin’izao noho izy ireo voatifitra tamin’ny faritry ny tendany, fa ny iray kosa efa nivoaka ny hopitaly raha voatifitra teo amin’ny tongony. Mbola karohina kosa ny efatra hatreto, ary efa nilaza ny mpandraharahan’ ny fonja fa efa fantatra ny misy azy ireo, saingy noho fahasarotan’ny lalana no antony. Raha ny fanazavana azo, dia nohararaotin’ireto voafonja nitsoaka ireto ny zava-misy noho faharatsian’ny andro nandritra izao fitsoahan’izy ireo izao ; amin’ny maha-« maison de sureté » ny ao Mananara avaratra, dia somary kelikely ihany ity fonja ity, nefa tsy mitsaha-mitombo ny voafonja raisiny no olana ka misy ireo voafonja koa no manararaotra izany. Nanome baiko ny talen’ny fandraharahana ny fonja Toamasina, fa tsy maintsy atao izay hahazoana ireto voafonja nitsoaka ireto na aiza no misy na aiza, ary tsy maintsy samy manamafy ny fonja any aminy avokoa ny mpandraharaha ny fonja rehetra na « maison de sureté » izany na « maison centrale », fa lasa olana ho an’ny fiarahamonina ireo voafonja mitsoaka, nefa ny andian-jiolahy aza efa mampanahirana mpitandro ny filaminana ny fanaraha-maso sy ny fisamborana azy ankehitriny
Malala Didier