- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFifidianana eto Toamasina I : Kandidà iray tsy tao anaty ny lisi-pifidianana

Fifidianana eto Toamasina I : Kandidà iray tsy tao anaty ny lisi-pifidianana

Tamin’ny ankapobeny, dia saika nisokatra tamin’ny fotoana noferan’ny lalana amin’ny 6 ora avokoa ny birao fandatsaham-bato teto Toamasina I. Ny anton’ny fahatarana ho an’ny sasany, dia ny oram-be teto Toamasina sy ny fahataran’ny bileta tokana voarain’ireo mpiasan’ny birao fantsaham-bato, teo amin’ny 10min hatramin’ny 30min teo izany fahatarana izany. Ny kandida Naharimamy Irmah no  nidina vao maraim-be fotoam-pisokafan’ny birao fandatsaham-bato, ka tao amin’ny  Epp Valpinson izy no nanefa ny adidiny. Nandritra ny fotoana nifidianany anefa dia hagagana ny an’ny rehetra tao anaty efitrano, fa nisy olona roa tsy mponina tao amin’ny fokontany niaraka taminy nifidy, izay voasoratra ara-dalana ao anatin’ny lisi-pifidianana. Raha nanontany azy ireo ny mpanao gazety na ilay toerana sy ny fokontany misy azy  aza  tsy hain’izy ireo. Nilaza izy ireo, fa nifidy maraina fa mbola hiverina any Antananarivo fa tonga teto Toamasina ny alahady hariva. Tamin’ny 8 ora ny kandidà Rakotonirina Jean Claude no nifidy tao amin’ny birao fandatsaham-bato Radama I Tanamakoa. Tamin’ny  9ora avokoa no nanefa ny adidiny kosa kandida isany: Dr Ndahimananjara Johanita sy Mahavimbina Alain ary Me Tody Arnaud, izay samy nanana ny birao fandatsaham-batony avy. Ny kandidà Ratsiraka Roland sy ireo ambiny kosa dia saika tamin’ny 11ora avokoa no nifidy tamin’ireo birao fandatsaham-bato misy azy avy ihany koa. Tsy afaka nanefa ny adidiny kosa ny kandida Rakotomalala Henri na Riribe; izay tokony   ho nifidy tao amin’ny Epp Tovivelona Raphael noho ny anarany tsy tao anatin’ny lisi-pifidianana. Efa nokarohana eran’ny birao fandatsaham-bato ny anarany sao nifindra lisitra, efa nikaroka izany tao anaty lisitra tamina solosaina tao aminy koa ny CED Toamasina I, saingy tsy voasoratra anarana mihitsy ity kandidà ara-dalana neken’ny CENI ity. Hany herin’ny CED Toamasina I dia navela nifidy tao amin’ny birao fandatsaham-batony misy azy ihany ity kandidà ity, ary nosoratana tamin’ny penina teo amin’ny fanambanin’ny lisitra ny momba azy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici