- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanaga : Kialalao nipoaka nandratra zaza

Moramanaga : Kialalao nipoaka nandratra zaza

Zazalahy kely 10 taona no potika eo amin’ny tratrany sy ny tarehiny ary ny
masony noho ny filalaovana ireny karazana kilalao vita sinoa
miparitaka eny an-tsena ireny, ny sabotsy maraina tamin’ny 9 ora, raha iny
avy niantsena iny ny reniny ka nanolotra izany ho an-janany. Raha
vantany vao nandray ilay karazana kilalao miendrika fanitaran-tsaina
ireny ilay zaza ka nilalao izany, dia nipoaka avy hatrany ka
nahazo ny vatany manontolo. Potika tamin’izany ny masony an-kavia sy ny
rantsan-tanana fanondro sy fanondro adala, izay tsy maintsy noesorina.
Raha tsy misy fihatsarany koa ilay masony, izay nahazo fitsaboana sahaza,
dia tsy maintsy hiafara amin’ny fanesorana azy koa. Avy any Mandialaza
ity zaza ity. Raha tamin’ny 9 ora maraina izy no voa dia tamin’ny 12 ora sasany izy
vao tonga tao amin’ny hopitalin’i Moramanga, noho ny halaviran-dalana.
Raha ny filazan’ny dokotera mpitsabo dia tsy misy atohorana ny
fahasalamany amin’ny ankapobeany.
CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser