Zazalahy kely 5 taona no maty voatondraky ny rano mangotraka iray vilany tao an-tranony ny alahadin’ny pentekosta maraina, raha iny niomana handeha hivavaka iny ny fianakaviany. Tsy nisy nanampo ny tao an’efitra na dia samy naheno ny hiakiaka aza, fa noheverin’izy ireo ho kilalaon’ilay zaza ihany. Ny reniny handeha handrotsa-bary no nahita ity sombin’ny ainy efa masak’ilay rano sady tsy niteny intsony. Mbola teny an-tanany ilay kaopy kely. Nihevitra haka rano tao anaty vilany angamba ilay zaza no nianjeran’ilay vilany, noho ny toeran’ilay fatana teo ambony latabatra.
Mila malina hatrany isika reny rehefa mitaiza fa ny tsy fitandremana no mety hitera-doza toy izao.