- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Mihetsika ihany koa ny miaramila

Tsy filaminana eto Toamasina : Mihetsika ihany koa ny miaramila

Isan’ny fokontany tsy milamina amin’ny fanendahana sy vaky trano ary fanafihana mitam-piadiana amin’ireo mpivarotra ny fokontany Analakininina Hopitaly be iny. Voasoketa lava ao anatin’izany ireo vata-miaramila eo anivon’ny toby 1/RM3 isaky ny misy ny tranga ao an-toerana. Vokany, misy ny hetsika iarahan’ny andrimasom-pokonolona notsongaina manokana sy ny vata-miaramila eo anivon’ny 1/RM3 tarihan’ny Ajida Narcisse Nicolas manao fisafoana ny fokontany isan’alina nanomboka ny fiandohan’iny herinandro nivalona iny. Ny zoma teo dia nahazoam-bokatra ny fisafoana fametrahana filaminana nataon’izy ireo, satria mbola tafiditra ao anatin’ny fokontan’izy ireo ny eny amoron-dranomasin’ny hopitaly be sy ny faritry ny tetezan’ny hopitaly be iny. Tovolahy roa, Lovaniaina 30 taona sy Michel 28 taona, izay samy mponina ao amin’ny fokontany ihany no saron’izy ireo tao ambanin’ny tetezan’ny Hopitaly be mibizina rongony. Nandritra ny fisavana azy roa lahy ireto dia nahatrarana fonosana rongony fifoka milanja 500g efa vonona amidy, sy voana rongony malaza any ivelany ireny izay vita amin’ny “héroine” maro be, tany amin’izy roa lahy ireto. Raha ny fanazavana dia ny teratany malagasy no mpividy ny rongony fohana amin’izy ireo ka 1.000 ariary hatramin’ny 3.000 ariary ny fonosana amin’izany; ireo teratany vahiny sy ireo mpanambola kosa no mpividy ilay rongony voany ka 30.000 ariary hatramin’ny 60.000 ariary ny famarotana izany, arakaraka ny habehan’ilay voana rongony izany. Ny firongatry ny zava-mahadomelina toy izao no olana ara-pilaminana eto Toamasina, satria ireo jiolahy tratra dia saika avy nidoroka na mpidoroka ary nahitana fitaovam-pidorohana avy koa. Ny sabotsy teo no natolotra ny zandary afaka manao ny fanadihadiana izy roa lahy ireto, izay heverina hiakatra fitsarana anio alatsinainy na ny talata ho avy izao.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici