- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversFonjaben’i Toamasina Ambalatavoahangy : Ady amin’ny kolikoly, namory ireo mpanatitra sakafon’ny voafonja

Fonjaben’i Toamasina Ambalatavoahangy : Ady amin’ny kolikoly, namory ireo mpanatitra sakafon’ny voafonja

Ny tolakandron’ ny talata teo raha nahita ny filaharam-be teo am-bavahadin’ny fonjaben’i Toamasina Ambalatavoahangy ny talen’ ny fandraharahana ny fonja eto Toamasina, Atoa Napou Jeremi,  avy hatrany dia nihaino sy nifampiresaka tamin’ireo mpanatitra sakafon’ireo voafonja. Nandritra izany no nitarain’ireo mpanatitra sakafo ny voafonja ireo, fa misy amin’ireo mpandraharahan’ ny fonja sasany sy ireo voafonja mpiara-miasa amin’izy ireo eo am-bavahady no maka vola amin’ny sakafo aterin’izy ireo ho an’ny havany. Raha ny fanazavana, dia manodidina ny 1.000 ariary hatramin’ny 5.000 ariary ny vola alohan’ireto mpanatitra sakafo ireto mandritra izany, mba tena ho tonga tsy misy banga amin’ny havany mifonja ny sakafo manta na masaka aterin’izy ireo amin’izany. Nambaran’ny talen’ny fandraharahana ny fonja eto Toamasina, fa tsy azo ekena intsony izany fanaovana kolikoly amin’ny havan’ny voafonja manatitra sakafo ny fianakaviany izany, satria fampirisihana azy ireo hanampy ara-tsakafo ny havany mifonja aza no atao noho ny olana ara-tsakafo eo anivon’ny fonja malagasy ; izay mangahazo maina no misy hatramin’izao, nefa ireo mpanatitra sakafon’ ny vofonja indray no anaovana izany. Nentanin’ny talen’ny fandraharahana ny fonja ireo mpanatitra sakafo ireo mba ho sahy hitoroka sy hitory ireo mpandraharahan’ ny fonja maka vola amin’izy ireo izany, amin’ny fametrahana fitarainana ao anatin’ny boaty manokana fametrahana izany eo anivon’ny fonja. Mahatratra 1.600 mahery izao ireo voafonja eo anivon’ny fonjaben’i Toamasina, ny fahamaroan’ny fandikan-dalana tamin’ny fahatrarana ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana sy ireo mpanendaka ary ireo mpidoroka zava-mahadomelina no nampiakatra be ny isan’ ny voafonja amin’izao ; eo ihany koa ny tsy mbola fisian’ny fitsarana ady heloka be vava ; izay isan’ny maro an’isa ihany koa eo anivon’ny fonjan’Ambalatavoahangy hatramin’izao. Afa-po tamin’izao fihaonana tsy nampoiziny izao ireo havan’ny voafonja mpanatitra sakafo ny fianakaviany ireo, satria izy ireo efa sahirana indray no mbola anaovan’ny mpandraharahan’ ny fonja kolikoly. Mangataka ihany koa ireto fianakavian’ny voafonja mpanatitra sakafo ireto ny hamoahan’ny talen’ny fandraharahana ny fonja naoty na teny mita hampalalana ny rehetra mikasika izao fandraisany andraikitra izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici