- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Komisera nikasi-tànana, mandeha ny fitoriana

Ampitatafika : Komisera nikasi-tànana, mandeha ny fitoriana

Notsipihan’ny mpitory mazava, fa mamo ilay tompon’andraikitra ambony izay voakasiky ny raharaha. Ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny fito ora hariva, raha samy hiditra tao anaty « parking » iray ny fiara roa no nitranga ny disadisa. «Hampiditra ny fiarako ao anaty tamboho aho, ka namelona jiro famantarana satria nahatazana fiara tao aorinako. Raha iny hihemotra iny aho dia nobahanan’ilay fiara ary nopainy tamin’ny ‘claxon’ » raha araka ny fitantaran’ilay olona nametraka fitoriana. Notohizany fa : « raha nivoaka hanontany ny antony aho dia nilaza ilay olona, fa mampitohana fifamoivoizana ny zavatra ataoko kanefa tsy nisy fiara afa-tsy ny fiarany roa no teo ». Mbola niezaka ny niresaka ilay olona kanefa voaompa fanin-telony indray ary tsy vitan’izay fa nivoaka ny zanany ka nitabataba sy nanompa sady nidaroka koa, raha araka ny fitarain’ilay olona hatrany. « Tsy nijanona hatreo fa nivoaka daholo izy efatra tao anaty fiara ary samy nidaroka…raha naheno tabataba ny zokiko, dia nivoaka hanala azy ireo saingy niharan’ny daroka ihany koa…naratra mafy sy torana aho dia nitsoaka ry zareo…nenjehin’ny fianakaviana tonga hatrany amin’ny biraon’ny polisy ary teo no nahafantarana fa tompon’andraikitra ambony ao amin’ny polisy ao amin’ny minisitera etsy Anosy ilay rangahy ». Tsy nanaiky mora foana ilay fianakaviana ary nametraka fitoriana eny amin’ny fitsaràna sy eny amin’ny sampan’ny polisy miadidy ny heloka vitan’ny olon’izy ireo. Tsy ela koa dia nivoaka ny fanambarana ôfisialy avy amin’ny minisiteran’ny filaminana anatiny : « manolotra fisaorana sy mampirisika hatrany ny fifanomezan-tànana avy amintsika tsirairay amin’ny filazam-baovao mba hisorohana ny fandikan-dalàna na avy amin’iza na avy amin’iza. Manamafy sy manantitra hatrany koa, fa tsy misy ambonin’ny lalàna na iza na iza, indrindra fa ny mpitandro ny filaminana izay nianatra manokana ny momba izany. » Notohizan’ilay fanambarana, fa « manoloana ny toe-java-nitranga dia efa nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana ka hamarininay fa tsy Polisy miasa ao amin’ny Kaomisarian’ny 67 Ha (CSP 7ème Arrondissement) io Polisy voalaza io fa miasa kosa ety Anosy….araka ny fanadihadiana natao ihany, dia izy sy ny zanany lahy no voakasika amin’ity raharaha ity…amin’ny toe-javatra mitranga tahak’izao, dia vesatra roa  no mihatra amin’ny Polisy nandika lalàna, dia ny vesatra ara-pitsipi-pifehezana sy ny vesatra ady heloka… vonona ny hampiseho ny mangarahara tanteraka ny amin’ny mety ho tohin’ny raharaha mahakasika ity tranga ity ny minisiteran’ny filaminana anatiny. »

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici