Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny vadintany, ny Me Rarivoarivony Andriatafaina Haja Fitiavana, araka ny lalana tao amin’ny biraon’ny ben’ny Tanana, dia nandray ny asany ara-dalana tao amin’ity birao natokana ho an’ny ben’ny Tanana ao amin’ny Lapan’ny tananan’i Toamasina ity ny filohan’ny delegasionina manokana (PDS) Razafimanana Christain.
Tsy ilaina intsony ny famindram-pitantanana eo amin’ny ben’ny Tanana naato sy ny PDS vaovao, hoy ny vadintany, satria efa tsy am-perina’asa intsony ny ben’ny Tanana tamin’ny fanendrena azy ireo noho izy efa nametra-pialana tao anatin’ny naha-kandida ho solombavambahoaka azy tao Mahanoro . Tsy nisy ihany koa ny fakana ny didim-pitsarana nanokafana ny trano, noho ny fanalahidin’izany efa nomen’ny ben’ny Tanana ka nampitondrainy ireo mpiara-miasa taminy teo aloha ihany koa. Afaka nandray ny toerana sy ny biraon’ny ben’ny Tanana amin’ny maha-PDS azy avy hatrany izany Atoa Razafimanana Christain, taorian’ny fanadihadian’ny vadintany natao omaly misandratr’andro. Natao omaly antoandro ihany koa taorian’ny fametrahana ny PDS ireo lefiny mpiara-miasa aminy mianadahy sy ny sekretera jeneralin’ny kaominina vaovao, izay mbola samy natrehan’ny vadintany avokoa izany rehetra izany, amin’ny fitanana an-tsoratra rehetra.
Ny olana hita omaly, dia teo amin’ny a fanamarinana ny fisoratam-panambadian’olona. Ho fandaminana izany mariazy izany, dia nandray fepetra ny PDS omaly, fa ny lehiben’ny servisin’ny sora-piankohonana avokoa aloha no mandray izany fisoratam-panambadiana izany; satria efa tsy afaka manao izany mba tsy hiteraka ny tsy hampanan-kery ny fanambadin’olona ireo ben’ny Tanana lefitra mpanao izany teo aloha rehetra.
Malala Didier