- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFanamparam-pahefana, kolikoly sy asan-jiolahy : Tafakatra 36 ireo zandary nidoboka am-ponja

Fanamparam-pahefana, kolikoly sy asan-jiolahy : Tafakatra 36 ireo zandary nidoboka am-ponja

Misy manamboninahitra ambony sy manamboninahitra lefitra amin’izy ireo. Zandary mpihoa-pefy maromaro izay nenjehina noho ny  kolikoly, firaisana tsikombakomba amina dahalo ary fanaovana asan-jiolahy no fantatra fa efa nadoboka am-ponja hatreto. Ny vao haingana indrindra dia afak’omaly, noho ny  trafikana lavanila sy fisolokiana  volamena.

« Tanindrazana sy lalàna no tarigetrantsika. Mila tia tanindrazana isika araka izany ary tsy maintsy manaja lalàna ihany koa, fa tsy isika indray no ho lasa fanetriben’ny firenena» hoy ny Jly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary eo anivon’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena, omaly raha nitodika tamin’ireo zandary rehetra. Notanterahana omaly tokoa mantsy ny fanombohana ôfisialy ny fankalazana ny fetim-pirenena sy fetin’ny Foloalindahy Malagasy. Raha ho an’ny zandamariam-pirenena manokana, dia natomboka tamin’ny fanangan-tsaina  tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava izany. Nanatintratitra ny tena asa iantsorohan’ny zandary ity tompon’andraikitra voalohany ity. Nanamafy fa « ho an’ny Tanindrazana » no niantsoana azy ireo fa tsy sanatria ho lasa fahavalom-pirenena handeha hivadika ho dahalo sy olon-dratsy hambotry ny mpiray tanindrazana . Nohamarininy tamin’izany, fa tsy miaro ny mpanao ratsy ny zandamariam-pirenana na iza io na iza. Porofo, hoy izy, tato anatin’ny efa-bolana teo ho eo izay dia efa zandary 36 no nadoboka am-ponja. Nisy tamin’izy ireo manamboninahitra nitana andraikitra ambony tany amin’ny faritra nisy azy tany, saingy rehefa nihoa-pefy dia tsy maintsy nampiharina taminy ny lalàna. Ny alarobia teo no nisy zandary nadoboka am-ponja tany amin’iny faritra Betsiboka iny. Rehefa natao ny fanadihadiana, dia fantatra fa isan’ireo atidoha tao ambadikana fisolokiana volamena izy. Nisy iray ihany koa tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Nantsoina hiaro lavanila izy kanefa izy mihitsy indray no nanodinkodina izany, saika hitondra izany hitsoaka niaraka tamin’ny fiarany. Voamarik’ireo namany anefa izany ka na dia ambony galona aza dia tsy maintsy nosavaina ny fiara ary tra-tehaka teo. « Tsy azo ekena ny tahak’izany ary mbola mitohy foana hatreto izay fanavahana ny tena vary amin’ny tsimparifary izay. Manantena aho fa ho modelin’ny fitiavan-tanindrazana ny zandary ary azo ametrahan’ny vahoaka ny fitokisany, hisian’ny fiaraha-miasa hampandriana fahalemana ny firenena. Ary aoka mba hotohizana ny ezaka tsara efa natomboka hatreto» hoy hatrany ity manamboninahitra jeneraly ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici