Lasa mahazo laka any amin’ny Distrikan’i Sambava iny tato ho ato, ny endrika fitsaram-bahoaka. Afak’omaly, Sefo Fokontanin’ Ambolimadinika, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Nosiarina, no nofatoran’ny Fokonolona tady. Raha ny vaovao voaray, dia nigadona vao mangiran-dratsy tao amin’ity Fokontany ity ny Zandary niaraka tamin’ny mpandraharaha iray handeha hisambotra tanora iray notoriana noho ny raharaha ady tany, izay voalaza fa mipetraka amina Katekista amin’ny Fiangonana iray ao an-tanàna. Rehefa tsy hita tao ny notadiavina, ary tsy nilaza izay toerana misy io tovolahy io ilay mpitondra fivavahana, dia nentin’ireo mpisambotra tany amin’ny biraon’ny Zandarimaria Sambava.
Fanararaotam-pahefana.
Vao naheno izany ny Fokonolona teo an-tanàna, tamin’ny fisamborana an’ity Katekista izay tsy manan-tsiny ity, dia tezitra mafy ka nirohotra nankany amin’ny Sefo Fokontany ao an-toerana. Ity farany izay tondroin’ny vahoaka, fa izy no ao ambadika miara-miasa amin’ity mpandraharaha nitondra mpitandro filaminana hisambotra olona. Nosamborin’ny Fokonolona ilay Sefo Fokontany, ary nofatoran’izy ireo tady avy eo. Nisorohana ny hatezeram-bahoaka, dia tonga haingana nandamina ny raharaha ny avy amin’ ny Fiadidiana ny tanànan’i Nosiarina. Mba hampitony ny vahoaka, dia nanolo-kevitra ny avy amin’ny Kaominina ny hanoloana haingana ny Sefo Fokontany izay voatondro fa fototry ny savorovoro. Taorian’izay dia navotsotra ilay Katekista, raha mbola karohina fatratra kosa amin’izao ilay tovolahy.
Eric Manitrisa