Tanin’olona vita titra, manana velarana maherin’ny 24ha, ao amin’ny fokontany Antohomaro, kaominina ambanivohitra Faralana, any amin’ny distrikan’i Sambava no nidirana andian’olona an-keriny, ka nanorenan’ireto farany trano hazo mitafo bozaka, ary nisy ny efa nanangana trano vita amin’ny « parpaing » teo. Ny talata teo no niakatra Fitsarana tao Antalaha ny raharaha, ka olona fito tamin’ireo 22 voasambotra natolotra ny Fitsarana no nidoboka am-ponja vonjimaika, ny sisa kosa nahazo fahafahana. Ireto farany dia nampanaovina taratasy fa tsy mahazo manitsaka ny faritra misy ny tany voalaza io intsony. Nandritra ny fifandaharana nisy tao amin’ny Fitsarana, dia nilaza ireo voampanga fa tsy niditra an-keriny izany izy ireo, fa nisy olona nampiditra azy ireo tao amin’io tany io, ary nitaky vola. Raha ny loharanom-baovao voaray, dia karohina fatratra amin’izao ilay tompon’antoka tamin’ny fampidirana an’ ireto olona ireto tamin’io tany manan-tompo izay fananan’ny orinasa lehibe iray ao Sambava io. Rehefa nahazo baiko tamin’ny « Préfet »-n’ny Sambava ny mpitandro filaminana any an-toerana, dia nidina ifotony nandrava ireo trano niorina tamin’io tany io.
Eric Manitrisa