- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-Divers67 ha : Raikitra ny fanidiana « bar » sy fisamborana mpanao « pointe »

67 ha : Raikitra ny fanidiana « bar » sy fisamborana mpanao « pointe »

Tsy dia nisy zava-baovao natao ankoatra ny nampihatra ny lalàna manan-kery. Saingy tao anatin’izany dia hita nivohitra tanteraka fa tena tsy manara-dalàna ny toeram-pivarotana maro. Isan’izany ny mpivarotra zava-pisotro mahamamo izay feno azy eny amin’ny cité des 67 hectares sy ny manodidina azy. Tsikaritra izany nandritra ny fidinana tampoka nataon’ny polisy misahana iny boriborintany iny teny an-toerana. Saika mbola nisokatra avokoa ny bar rehetra teny ary tsy dia nisy nivaky loha ny lalàna izay milaza mazava fa amin’ny sivy ora alina no fotoana fikatonany. Toraka izany koa ireo toeram-pialam-boly izay mivarotra toaka ary koa ireo olona mpanjifa. Tao anatin’izany rehetra izany dia olona miisa 22 no voatery nentina teny amin’ny kaomisaria ary nohenoina. Nisy ny tsy nitondra karapanondro nefa mandehandeha amin’ny alina, tao koa ny mpivaro-toaka ary ny mpanjifa. Tsy vitan’izany fa nandeha hatrany amin’ny fanakanana ireo mpamily fiarakodia izay manao « pointe » eny amin’ny lalam-baovao ny hetsiky ny polisy. Nisy nosamborina koa iretsy voalohany. Izany rehetra izany dia manaporofo fa tena ivontoeran’ny tsy fanarahan-dalàna eny 67ha sy ny manodidina azy. Na izany aza anefa dia mbola hetsika fanairana ihany no nataon’ny polisy. « Entina hampahatsiahivana amin’ny olona sy hampahafantarana ny olona ny amin’izay voalazan’ny lalàna no natao aloha. Navotsotra avokoa ireo olona 22 rehefa tonga ny fianakaviany nanamarina », hoy ny fanazavan’ny komisera izay miadidy ny boriborintany voakasika. Ny toe-javatra toy izao dia manaporofo hatrany fa tsy voatery manao hetsika hita maso be sy malaza be rehefa miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Ny tsikaritra dia nampanaovina fanamiana sivily fotsiny ny polisy dia nahatratra mpanendaka sy mpangarom-paosy maro. Rehefa izay indray, nasaina nivoaka alina fotsiny ny polisy ary mampahafantatra ny lalàna manan-kery momba ny fivarotan-toaka sy ny familiana fiara mety hitera-doza ary koa ny fampahatsiahivana ny tokony hitondràna kara-panondro, dia efa nahitam-bokatra mba mamiratra toy izao.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici