Nitrangana fanafihan-dahalo namoizana ain’olona indray tany amin’ny distrikan’ Ambositra, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy teo, tao Ambatolahy, Kaominina ambanivohitra Ivony. Raim-pianakaviana iray (Ramose Cyrille) no maty tsy tra-drano voatifitra, naratra mafy kosa ny zanany roa lahy, izay mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’ Ambositra ankehitriny. Raha ny vaovao voaray, vao niditra ny tanàna ireto andian-dahalo izay voalaza fa tanora avokoa ny ankamaroany, dia nanapoaka basy sady nitsoka kiririoka nentina nampihorohoana ny mponina. Noho ny tahotra, dia maro tamin’ny olona no nifitsaka tsy nivoaka ny trano, ka niliba ireo mpanani-bohitra nandroba sy nandraoka ny omby tian’izy ireo nalaina tamin’ny vala maromaro teo an-tanàna.
Eric Manitrisa


