Taorian’ny fandalovan’ny Jeneraly Kaomandin’ny Zandarimaria tany amin’ny Distrikan’i Sambava, izay nitokana biraon’ny Zandary manara-penitra «Poste avancé » tao Farahalana, ny 6 jona teo, dia Zandary roa miasa ao amin’ny Borigadin’ Amboangibe, izay voarohirohy ho niray tendro tamin’ny mpangalatra lavanila no natolotra ny Fitsarana tao Antalaha, ary taorian’izay dia nabodoka am-ponja vonjy maika miandry ny fotoam-pitsarana azy ireto Zandary roa, izay lefitry ny Kaomandin’ny Borigady ny iray, raha G1C (tsipika telo) kosa ny Zandary faharoa.
Raha ny vaovao voaray, rehefa nandray lelavola 3 tapitrisa ariary ireto Zandary voarohirohy ireto, dia nanome fahafahana an’ilay mpangalatra lavanila tra-tehaka. Tsy nanaiky ny famotsorana an’ity mpangalatra ity anefa ny tompon’ny lavanila very, ka nametraka fitoriana tany amin’ny Fitsarana. Fantatra ihany koa, araka ny tati-baovao voaray hatrany, fa dia Zandary miisa efatra izay nampanaovina iraka anaty « opération » fandriampahalemana momba ny lavanila no nandraisan’ny Ben’ny tanàna any an-toerana fitarainana momba ny fakana vola tsy ara-drariny amin’ ireo tantsaha voalaza fa nioty lavanila nialohan’ny fotoam-pisokafan’ny tsena.
Eric Manitrisa