- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAntalaha : Raim-pianakaviana iray maty tampoka irery teny an-tanimbary

Antalaha : Raim-pianakaviana iray maty tampoka irery teny an-tanimbary

Nitrangana loza tsy nampoizina tao Ambatomitraka, Distrikan’ Antalaha, ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy 12 minitra, ka raim-pianakaviana iray 35 taona, fantatry ny maro amin’ny hoe : Iaban’ny Pongany no maty tampoka teny an-tanimbary niasany. Tamin’ny enina ora naraina no niala tao an-tranony tao Andripitra, Fokontany Tanambaonampano ity lehilahy namoy ny ainy. Ary tamin’ny fito ora izy no nanomboka niasa teny an-tanimbary, ary taorian’izany dia nitolefika irery tsy tafatsangana intsony.

Raha ny vaovao voaray, dia mpanao trano (maçon) no tena anton’asan’ity raim-pianakaviana manambady aman-janaka avy any amin’ny Fokontany Antsahono, Kaominina ambanivohitra Ambodimanga, any amin’ny Distrikan’ Andapa ity, izay mila ravinahitra ao Antalaha. Nefa noho ny tsy fisian’asa dia voatery niasa teny an-tanimbary izy tamin’io andro io, ka izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao. Raha ny voalazan’ny  vady navelan’ny maty, izay mpivarotra anana, dia taizan’ny aretim-bavony rangahy vadiny ary manao « crise » matetika, nefa noho ny tsy fisiam-bola dia tsy afaka mitsabo tena izy ireo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici