- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-Divers Betafo - Asan-dahalo : Raikitra ny fifandonana, tafaverina ny omby...

Betafo – Asan-dahalo : Raikitra ny fifandonana, tafaverina ny omby 80

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana indray tao atsinanan’i Betafo ny alin’ny zoma faha 6 jona teo . Tsy mbola mifanalavitra loatra amin’ny renivohitry ny kaominina no nisian’izany. Lasibatr’ireo dahalo tamin’izany ny ombin’i Ranto ( omby mbola hamidy)   80 teo ho eo.  Nitabataba sy nanapoaka basy ireo dahalo vao tafiditra ny tanana, tsy fantatra mazava hatreto ny isany . Noraofiny avokoa ireo omby saika mbola hamidy. Tsy nisy sahy nivoaka ny mponina raha tsy efa nilamindamina ny fanafihana. Tsy niandry ela koa fa nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona niaraka tamin’ny  zandary tao an-toerana. Tsy lasa alavitra dia efa narian’ireo jiolahy teny an-dalana ny sasan-tsasany tamin’ireo omby. Raikitra ny fifandonana, vaky nandositra avokoa ireo jiolahy ary navelany tao Bemaha ny omby rehetra. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa noho izany ireo omby rehetra.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser