Manoloana ny fahatapatapahana lava ny herinaratra ny Jirama, izay tsy misy fampandrenesana mialoha ny mpanjifa, dia mampiaka-peo ny mponina sy ireo mpitia baolina kitra, ary manahy mafy ireto farany, fa mety tsy hahita « CAN » izy ireo. Vokatr’izao fahatapahan-jiro matetika toa tsy misy fanafana izao, dia ahiana ihany koa, raha ny fanazavana azo hatrany, ny hahasimban’ny « émetteur TV » sy « radio »-n’ny haino aman-jerim-panjakana Soatalily ao an-drenivohitry ny Faritra Atsimo Andrefana. Nefa raha sanatria ka io fitaovana (final émetteur) io no simba, dia any Italia no hafarana. Noho ny fiakarana sy fidinan’ny tanjaka ny herinaratra tampoka izay hatrany isaky ny mandeha ny jiro, dia fitaovana sarobidy maro no voalaza fa simba, nefa ny eo anivon’ny Jirama tsy manonitra akory ny fahasimbana, ka mpanjifa maro no velon-taraina vokatr’izany.
Eric Manitrisa