- Publicité -
dimanche, novembre 9, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimahasoa : Nanafika tao Ambohipeno ny « Boko Haram »

Ambohimahasoa : Nanafika tao Ambohipeno ny « Boko Haram »

Nitrangana fanafihan-dahalo nitam-piadiana indray tany amin’ny Distrikan’ Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony, ka omby dimy no lasan’ny dahalo mitam-basy antsoina hoe : « Boko Haram », tao an-tanànan’  Apoapoaka, Fokontany Ambohipeno Vohitromby, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Vohiposa. Taorian’ny fanafihana, dia nihazo an’ Ambalakindresy ireo dahalo, ary niafara tao Sahanimaintso ny dian’omby hitan’ireo mpanara-dia. Raha ny loharanom-baovao voaray, tanàna telo ao amin’ny Fokontany Sahanimaintso, dia ny ao : Ambatolahivondraka, Anosy, Tambohobe Atsimo no voalaza fa fonenan’ny dahalo, ary kolontsaina efa hatry ny ela ifampitaizan’ny lehilahy amin’ireo tanàna ireo ny fanaovana dahalo, ka raha vao 14 taona monja ny zatovo ao, efa mangalatra omby.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici