
Nalain-dry zalahy ny vola sy ny volamena rehefa avy namono olona izy ireo
Tamin’ny fomba feno habibiana no namonoan’ny sasany an’ireto mpivady efa nahazo taona, tany amin’ny tanana antsoina hoe Andranambolava any Mananjary. Vokatr’izany zavatra izany, maty teo no ho eo ilay lehilahy 78 taona. Rakotovao Jean Baptiste no anarany. Nodidiana tamin’ny antsy ny hatony ary dia nandriaka eran’ny trano ny rà. Ramatoa vadiny kosa, voalazan’ny vaovao fa novelesina tamin’ny hazo teny amin’ny faritry ny lohany. Nandeha rà ihany koa izany ary nianjera tsy nahatsiaro tena ilay vehivavy. Noheverin’ireo jiolahy fa maty ary dia navelany teo. Tsy nahafaty an’ilay ramatoa anefa izany kapoka izany.
Tamin’ny 30 may teo tokony ho tamin’ny 7 ora no niseho ity fandrobana ity. Mpivarotra izy mivady ary tsy mbola nihidy ny tsena. Ankoatra izany, mpamokatra kafe manana velaran-tany lehibe ry zareo. Vao avy nivarotra kafe be dia be izy ireo.Mipividy volamena ihany koa. Fantatr’ireo jiolahy angamba izany zavatra rehetra izany ka tonga ry zalahy. Nalain’ireo mpandroba ny vola 16 tapitrisa ariary sy vovoka volamena 40 gr. Araka ny nolazain’ny zanaky ny maty, be entana sarobidy ao amin’ny trano nipetrahan’izy mivady ireo. Misy basy, fitaovana momba ny herinaratra mandeha amin’ny masoandro, telefonina sy zavatra hafa. Tsy nisy nentin’ireo olon-dratsy izany fa navelany avokoa. Raha vao vita ny famonoana azy mivady dia lasa nandeha izy ireo. Taorian’izany, tonga ny olona nizaha ny zavanisy. Nojerena ka mbola niaina ilay ramatoa lehibe. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly. Avotra soa aman-tsara ihany izy ary efa manomboka mihatsara ny fahasalamany. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Karohina fatratra ireo mpamono olona.
r.s.