Saron’ny zandary tao Antananarivo ingahy Ruffin Ramaromisa 34 taona, ilay lehiben’ny mpisoloky ireo mpandraharaha ara-lavanilina tao Sambava ny 05 marsa lasa teo. Efa miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy kosa ireo namany roa izay tratra teto Toamasina sy tao Soanierana Ivongo amin’izao fotoana izao.
Raha ny fanazavana dia vola mitentina 800 tapitrisa ariary no efa azon’izy telo lahy ireto nandritra io fisolokiana goavana nataon’izy ireo io, izay ampiasan’izy ireo taratasim-bola na banky efa tsy miasa, ka mpandraharaha efatra no nanaovan’izy ireo izany tamin’izay fotoana izay, izay nitory azy ireo teto Toamasina. Taorian’ny fahatrarana azy roa efa miandry fitsarana am-ponja eto Toamasina ireto no nikarohana an’ingahy Ruffin Ramaromisa ity, saingy raha henony fa karohina izy tao Mananara avaratra dia nitsoaka niazo an’i Mandritsarana, ary avy ao izy no niazo an’Antananarivo izay ambarany fa toerana tena ipetrahany, saingy izao tratra izao ihany ny farany.
Nandritra ny fisamborana an’ingahy Ruffin Ramaromisa 34 taona ity tao Antananarivo anefa dia niampy iray indray ny heloka manenjika azy. Tsy vitany mpisoloky mpandraharaha lavanilina ihany ity tovolahy ity, fa mbola manao vola sandoka sy misoloky olona amin’ny filazana fa mahay mampitombo vola ihany koa. Mbola tratra tao an-tranony avokoa ireo tapaka taratasy mitovy habe amin’ny vola 20.000 ariary maromaro, izay mitentina 200.000.000 ariary raha tena vola. Mbola sarona tao aminy koa ireo karazana ranon-javatra ambarany fa hahafahany mampitombo vola fanaony ihany koa. Raha ny fanazavana hatrany dia ireo mpandraharaha sy ireo tantsaha manana vokatra fanondrana no tena lasibatra izy ireo mandritra izany fisolokiana hafa fanaony izany.
Ankoatra izay dia mitondra fanairana ho an’ireo mpanangom-bokatra sy ireo tantsaha ary ireo mpandraharaha ara-vokatra fanondrana, fa tsy kely lalana ny ratsy. Tokony ho mailo mandrakariva ihany koa izy ireo mba tsy hanaiky ny fandrebirebena misy, fa hanisa sy hanara-maso tsara ny vola omena azy hisorohana ny fisolokiana misy, satria saika ny takariva sy ny alina mantsy no mampiasa ny fahaizany misoloky ireo mpanao izany ka mazana eo no tratran’izy ireo hatrany ireo mpanao voly fanondrana.
Malala Didier