Nitrangana asan-dahalo nahery vaika indray tany amin’ny Distrikan’i Sakaraha, Faritra Atsimo Andrefana, ny alin’ny zoma hifoha ny asabotsy teo, tao amin’ny Fokontany Analamaro, ka omby miisa 53 no lasan’ny folo lahy nitam-piadiana. Raha vao dify kely ny tanàna ireo mpangalatr’omby, dia niantso ny Tafika avy ao amin’ny holafy 512-n’ny Rezimanta Voalohan’ny Faritany Miaramila Fahadimy (1/RM5) ny voaroba, ka Miaramila enina avy hatrany no nanao ny fanarahan-dia an’ireo mpanani-bohitra. Tao anatin’ny fifadonana, Fokonolona roa tamin’ny mpanara-dia no naratra mafy voatifitra, ary noentina haingana tany Toliara, izay mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalibe hatramin’izao. Tsy naharesy tosika an’ireo Miaramila nirongo basy sy ny Fokonolona marobe nanara-dia ireo dahalo, ka vaky nandositra, ary navelan’izy ireo teo ny omby avy nangalarin’izy ireo, izay fantatra araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, fa efa tafaverina amin’ny tompony ireo omby very.
Eric Manitrisa