- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Tovolahy tra-tehaka nanolana ramatoa 49 taona

Arivonimamo : Tovolahy tra-tehaka nanolana ramatoa 49 taona

Lehilahy 18 taona no voasambotry ny pôlisy tao Arivonimamo, noho ny resaka fanolanana. Araka ny fampitam-baovao azo, dia tsy mifidy izay sendra azy ranamana fa na kely na lehibe, rehefa vehivavy dia lasibatra avokoa. Ny farany teo, ny herinandro lasa iny dia vehivavy lehibe tokony ho 50 taona latsaka tany ho any no nampiharany ny filan-dratsiny. Nametraka fitarainana avy hatrany teny anivon’ny pôlisy ity niharan’ny habibiana ity ka nanomboka teo ny fikarohana azy. Tany amin’iny faritra Arivonimamo iny ny lehilahy no tra-tehaka. Tamin’ny famotorana dia niaiky ny heloka nataony ranamana. Ary tsy vitan’izay,  fantatra ihany koa fa mbola nisy ankizivavy iray no nampiharany izay filan-dratsiny izay. Taorian’ny famotorana nataon’ny pôlisy, dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ity lehilahy mpanolana ity. Nanapa-kevitra ny hampidritra azy am-ponja vonjimaika ireo mpitsara, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici