Noho ny fitiavam-bola diso tafahoatra, dia mirongatra ny halatra lavanila manta arahina vono olona any amin’ny Faritra Sava, ary lasa mihabiby ny olona sasany, ka ny mpamboly miaro ny fananany indray no matetika mamoy ny ainy. Raim-pianakaviana iray mpivarotra, izay niambina ny lavaniliny teny an-tsaha no maty novonoina dahalon-davanilina, tao Ambodisatrana, Fokontany Ampohafana any amin’ny Kaominina Antsahanoro, Distrikan’ Antalaha. Raha ny vaovao voaray, dia niambina ny sahan-davaniliny ity lehilahy ity ny alina, ka ny vadiny hanatitra sakafo ho azy vao maraina no nahita ny faty nihosin-drà, izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana nokapakapaina tamin’ny antsy lava lela teo amin’ny lohany ity lehilahy. Tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia mbola tsy fantatra ny ireo navanon-doza, izay mbola karohina fatratra ankehitriny.
Eric Manitrisa