- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Mpianatra nanenjika jiolahy, maty voatifitra

Sambava : Mpianatra nanenjika jiolahy, maty voatifitra

Mialoha izao fetim-pirenena izao, dia mirongatra sy mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana ao an-tampon-tanànan’i Sambava, ka mampitaraina ny mponina.

Afak’omaly  tokony ho tamin’ny 11 ora alina, dia tovolahy iray 20 taona, izay mpianatra kilasy 3 ème amina sekoly tsy miankina iray ao Sambava no maty notifirin’ny jiolahy, tao  amin’ny Fokontany Ambatofitatra. Raha ny vaovao voaray, dia taitra tamin’ny torimasony ity tovolahy ity raha vao naheno fa misy mandroba ny « panneau solaire » miaraka amin’ny « batterie »-ny. Nivoaka ny trano izy ; izay nentin-kafanam-po tokoa, ka nanenjika ny mpangalatra, nefa tifitra variraraka no nasetrin’ny jiolahy azy. Vao naheno ny poa-basy ny manodidina, dia nanaitra ny Lehiben’ny Fokontany, Nody Léon, ary ity farany avy eo no nampandre ny mpitandro filaminana. Nentina novonjena haingana teny amin’ny hopitaly CHRR Besopaka ilay tovolahy naratra mafy voatifitra, nefa nony maraina ny andro dia tsy tana ny ainy. Raha ny fantatra, dia avy any amin’ny Kaominina ambanivohitra Andrahanjo ity tovolahy mipetra-drery mandranto fianarana ao Sambava izay namoy ny ainy ity. Ny andron’io ihany dia efa nalain’ny havany ny razana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici