Namoaka filazàna avy hatrany ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka manoloana ny zava-nitranga. Izany dia mahakasika ny fisian’ny kilalao miparitaka etsy sy eroa kanefa mety mampidi-doza ho an’ny zazakely, indrindra ireo izay latsaky ny enin-taona. Tsy voafaritra mazava ny momba ireo entana ireo fa kosa raha ny zava-nisy dia nahatelina tsy nahy ny ampahany amin’izany ireo zaza. Telo no naiditra hopitaly teto an-drenivohitra ary nandalo sampana famelomana aina talohan’ny nandidiana azy ireo. Mitovy ny fahavoazan’ireo zaza. Samy sempotra izy ireo rehefa tsentsina ny lalan-drivotra taorian’ny fihinanana ny piesin’ireo kilalao mapidi-doza. Fanentanana telo karazany avy hatrany no nataon’ny minisitera voakasika manoloana ity loza mitatao ho an’ny zazakely ity. Ny voalohany dia miantefa any amin’ny manam-pahefana mpanara-maso ny fenitry ny entana amidy. Mila mametraka fenitra iraisana momba ny kalitaon’ny kilalao amidy ary izany dia vokatry ny fikarohana siantifika manaporofo fa tsy misy atahorana ho an’ny zaza ny filalaovana ireo entana amidy, raha araka ny hita tao anatin’ny filazàna. Nahazo hafatra koa ny mpanamboatra kilalao na ireo mpivarotra na koa ireo mpanafatra an’izany : « mila farafaharatsiny mba hasiana toromarika miraikitra amin’ireo kilalao…izany dia mba hahafantarana fa tsy tokony hiditra am-bava na hohanina ilay entana. » Nitohy tao anatin’ilay taratasy fa ilaina ametrahana sampana izay handraiketana ny tarehimarika mahakasika ny tranga toy izao mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra ara-panjakana. Ho an’ny mpanjifa indray dia nanentana ilay filazàna ny mba tsy hametrahana irery ny zaza latsaky ny efa-taona manoloana ny kilalao izay mety ho voateliny. Isan’ny nohazavaina tao fa ilaina ny fahaizan’ny olona ny farafaharatsiny tokony hatao amin’ny fanavotana zaza sempotra rehefa mitranga ny toy izany. Tao anatin’ny telo andro no nisian’ny zaza telo sempotra. Izany hoe iray isan’andro raha atao ny kajy tsotsotra. Mila mitandrina ary tsy mividy kilalao tsy fanta-piaviana sy tsy manaraka ny kalitao ilaina. Indrisy anefa fa izany dia miparitaka etsy sy eroa…
D.R