- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversLakan-dranon’Andriantany : Nentin’ny gardien ny fiaran’ny masoivoho kômôriana dia nivadika tao

Lakan-dranon’Andriantany : Nentin’ny gardien ny fiaran’ny masoivoho kômôriana dia nivadika tao

Telo lahy izy ireo. Mpiambina avokoa. Napetraka tao amin’ny garazy iray tao Anosipatrana ny fiara toa ny mahazatra ary izy ireo no miandraikitra ny fiambenana ilay toerana. Navoakan’ireo anefa ilay fiara ary nentiny nandehandeha. Asa izay nitranga fa nivarina tao amin’ny lakan-dranon’Andriantany izany ny alin’ny alahady teo. Tsy nisy tsy nahita ilay fiara Peugeot 206 izay nitsoraka tao amin’io rano maloto io izay nandalo tamin’iny toerana iny. Ny mby tao an-tsain’ny olona avy hatrany dia ny hoe mamo ny vazaha izay tompon’ny fiara ka nivadika tao. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana tsotsotra dia hay zavatra hafa mihitsy no tao ambadik’izany. Raha ny fantatra dia nitsoaka ireo telo lahy rehefa nitranga ny lozam-pifamoivoizana nahazo ity fiara, izay misy takelaka maitso, izay famantarana fa an’ny masoivoho vahiny. Iny alina iny ihany dia efa nisy nampandre ny polisy ary niezaka namantatra ny zava-nisy. Niafara tamin’ny fahafantarana ireo telo lahy izay tompon’andraikitra izany. Natao ny fikarohana rehetra ka ny marainan’iny (omaly) no sarona tetsy Ilanivato ny roa lahy, mbola karohina kosa ny iray ambiny. Nalefa teny amin’ny borigady misahana ny heloka bevava izy ireo (BC) rehefa notorian’ny tompon’ny fiara izay mpanolotsain’ny masoivoho kômôriana eto amintsika. Halatra fiara no anton’ny fitoriana. Omaly hariva tamin’ny fotoana nanoratana dia mbola nitohy ny fanadihadiana tao Anosy. Ny fantatra anefa dia niangavy indray ny tompon’ny fiara ary nangataka fandaminana ny amin’ny hamotsorana ireo telo lahy. Nosintominy ny taratasy fitoriana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici