- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Mpampianatra maty, nokapaina antsy ny lohany

Anjozorobe : Mpampianatra maty, nokapaina antsy ny lohany

Rehefa avy novonoina ity renim-pianakaviana ity dia notaritarihina natsipy tany an-dohasaha ny razana.

Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no namonoana ity renim-pianakaviana iray, tokony ho 30 taona teo ho eo tao Ambohitsimizo, kaominina Ambongamarina, distrika Anjozorobe, omaly maraina.  Rehefa avy nokapain’ireo tsy valahara tamin’ny zava-maranitra mantsy ny lohany, antony nitarika ny fahafatesany dia notaritarihin’izy ireo ary natsipy tany akaikina lohasaha ny fatiny. Angamba hoe mba tsy hisy hahita. Izany rehetra izany anefa dia tsy lavitra akory ny toeram-piasàny tany an-toerana. Raha ny vaovao azo mantsy dia mpampianatra ao amin’ny CEG Ambohitsimizo ity ramatoa ity ary vao handeha hamonjy fidirana amin’ny fito ora maraina izy no izao hita faty izao. Izany aza mpiandry omby sendra nandalo tamin’ilay toerana, izay marihana fa mangina dia mangina tokoa, no nahita ny razana raha nanaraka ny bozaka nilamaka sy feno rà. Iry voalohany avy eo no nampilaza haingana ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana.

Mbola tsy fantatra hatreto ny anton’izao famonoana feno habibiana nihatra tamina mpampianatra izao. Tsy nisy zavatra nalain’ireo olon-dratsy rahateo mantsy teny aminy. Ary azo heverina ihany koa ho tsy nisy volabe na zava-tsarobidy ankoatr’ireo kahie fanaovana « preparation » sy fitaovana fentina mampianatra teny amin’izany ramatoa izany. Ambonin’izay raha ny vaovao hatrany, dia mbola mpampianatra karamain’ireo ray amandrenin’ny mpianatra any an-toerana izy, izay hiarahan’ny rehetra mahalala ny fahasahiranam-pivelomana hiainan’izy ireny any ambanivohitra any. Araka izany dia, na mety ho valifaty na lonilonim-piaharamonina na ihany koa mety fikasàna hanolana saingy tsy tanteraka no anton’izao famonoana izao. Saingy ny fanadihadiana ataon’ireo zandary any an-toerana ihany moa no ahafahana mamantatra izany. Efa an-dalam-pikarohana ireo na izay nahavanon-doza rahateo ireto farany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici